Categories

Accueil > Newsletter > Filazam-baovao faha-123

30 mai 2019
Admin 2

Filazam-baovao faha-123

English français Malagasy

ANTSO AVO HANEKENA NY FANGATAHANA FAHAFAHANA HO AN’IREO OLOMPIRENENA SIVY (9) MANOHITRA NY TETIKASA FITRANDRAHANA FASI-MAINTY BASE TOLIARA IZAY NOTANANA AM-PONJA VONJIMAIKA.

Renay fa nahemotra ho amin’ny zoma 31 mey izao ny fandinihin’ny Fitsaràna ny fangatahana fanafahana napetrak’ireo olompirenena sivy (09) izay nosamborina ny faha-2-n’ny volana mey teo ary notànana am-ponja vonjimaika araky ny fanapaha-kevitry ny fampanoavana ny faha-9-n’ny volana mey.

Tsy mba tany Toliara ireo olona ireo no notànana nandritra izay fotoana rehetra izay fa any Fianarantsoa izay lavitry ny fianakaviany mety ho afaka nikarakara azy araka ny tokony ho izy, ka voalaza fa marary ny sasany amin’izy ireo amin’izao fotoana izao.

Noho izany, dia manaitra sy manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izahay fikambanana ao amin’ny fiaraha-monim-pirenena, mba hanome azy ireo famotsorana eo am-piandrasana ny Fitsaràna, ho fanajàna ny zo fototra ara-pahasalamana sy ny zo hiaina mihitsy aza, fa olom-pirenena Malagasy niaro ny zony sy ny antom-pivelomany ary ny tanindrazany izy ireo.

29 may 2019

Fikambanana TANY miaro ny tany Malagasy