Categories

Accueil > Newsletter > Newsletter n° 48 (Dikanteny Malagasy)

2 décembre 2015
Admin

Newsletter n° 48 (Dikanteny Malagasy)

English français Malagasy

Inona ny hoavin’ny fokonolona sy mponina any ifotony hiharan’ny fikarohan’ny orinasa TANTALUS ilay akora antsoina hoe ‘terres rares’ ?

Nahazo concession 300 kilometatra toradroa avy amin’ny fanjakana Malagasy ao amin’ny faritra avaratra andrefan’i Madagasikara ny orinasa TANTALUS izay any Alemaina ny foibeny, mba hitrandrahany ‘terres rares’ ao amin’ny saikanosin’Ampasindava, ao amin’ny faritra Diana sy Sofia. TANTALUM RARE EARTHS MALAGASY na TREM, izay anaran’ny sampany ao an-toerana, no ahafantarana an’io orinasa mpitrandraka io any amin’ny distrikan’Ambanja (1). Ny ‘terres rares’ dia anisan’ny akora stratejika ampiasaina amin’ny teknolojia avo lenta, izay lazain’ny mpahalala fa atahorana ny fahalaniany ao aoriana ao. Noho izany dia tokony ho tandremana fatratra ny fitantanana azy mba ho ny fitambaran’ny vahoaka Malagasy no afaka hahazo tombotsoa aminy amin’ny fomba tsy mitanila, indrindra fa ny fokonolona any ifotony.
Any amin’ny distrikan’Ambanja sy Analalava no misy ny tanàna hiharan’ny asa fitrandrahan’ny orinasa TANTALUS, raha ny marimarina kokoa dia ny amin’ny kaomina ambanivohitr’Antsirabe, Ankingameloka, Bemanevika-Andrefana, Ambaliha, Anorontsangana ary Ankaramibe. Eny amin’ny tany sy anatin’ny rano no hanatanterahana ny fikarohana (1). Ny vaovao avy amin’ireo tanàna ireo dia tena mampanahy mafy sy miteraka fanontaniana maro mikasika ny fanajàna ny lalàna, ny tontolo iainana ambonin’ny tany sy anatin’ny ranomasina ary indrindra momba ny zo sy ny ho avin’ny mponina any ifotony.

Ny zava-misy manjo ny vondron’olona any an-toerana mandritry ny dingana fikarohana

Ny concession sy ny alalana hanao fikarohana dia nomen’ny mpitondra malagasy teo am-perinasa ny orinasa TANTALUS tamin’ny taona 2008.
Hatramin’ny 2011, dia nampihady tamin’ny tànana teny rehetra teny lavaka mirefy iray metatra toradroa ny ambony ary 10 metatra ny halaliny, tany anatin’ny saha famokarana izay niveloman’ny vondron’ny mponina any an-toerana. Ny tantsaha sasany tsy nanontaniana akory ny heviny talohan’ny nandavahana ny sahany, ny sasany kosa nokaramain’ny orinasa hanao io asa io. Ny tsy fisian’ny famerenana ny tany amin’ny laoniny nandritry ny taona maro dia nahatonga ny fianjeran’ny biby fiompy tanatin’ireo lavaka, indrindra indrindra mandritry ny fotoana avy orana. Fanampin’izany, ny hamaroan’ireo lavaka – izay nahatrata 250 ka hatraminy 720 anatin’ny fokontany tsirairay – dia nanakana ny fahafahan’ny tantsaha maro mampiasa ny taniny araky ny tokony ho izy. Koa dia nanoratra tamin’ny manam-pahefana any an-toerana ny vondron’ny tantsaha iray, mpikambana ao amin’ny ADAPS (Fikambanana ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena sy ny Tantsaha ao Sambirano) sy Réseau SOA (Tambazotran’ny Sendikan’ny Fivondronan’ny Mpamboly) tamin’ny volana septambra 2014, nangataka ny fanampiany amin’ny fitadiavana fomba hiarovana ny zony amin’ny taniny manoloana ny fahasimbana mihatra amin’ny voliny. Noho ny tsy fisian’ny fanehoan-kevitra avy amin’ny manampahefana dia nandeha tany an-toerana ny mpikambana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena vitsivitsy mba hijery mivantana ny zava-misy, hanangona fijoroana ho vavolombelona ary hifanakalo amin’ny vondron’ny mponina any an-toerana.

Manaja ny fitambaran’ny lalàna malagasy ve ny asan’ity orinasa mpitrandraka ?

Ny mpiara-miasa avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena dia nahita fa voatsentsina avokoa ny lavaka, ny ankamaroany vao aingana no natao, saingy tsy naverina tamin’ny laoniny ny zava-maniry teo amboniny.Teo amin’ny toerana maro dia tsy voahaja ny andalana faha-105 n’ny fehezan-dalàna momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izay mitaky ny hisian’ny 80 metatra eo anelanelan’ny asa fikarohana sy ny « trano fonenana, vovo sy loharano, fasana sy toerana heverina fa masina na fady » (2).
Ny rakitra fampahafantaran’ny orinasa TANTALUS ny asa fitrandrahany eto Madagasikara dia mampiranty ny fisian’ny karazan’akora maro : voatanisa ao amin’ny alàlana hikaroka nomena ny orinasa daholo ve izy ireo satria ilay alalana nomena tamin’ny taona 2009 dia tsy mitanisa afa-tsy ny pyrochlore (3) ? Ny fanombanana ny ho fiantraikan’ny asany amin’ny tontolo iainana izay halefan’ny orinasa ao aoriana dia tsy maintsy hampandraisana anjara manam-pahaizana mahaleo-tena fa tsy tokony hataon’ny ONE irery satria voafetra ny fitaovana ara-teknika ananany nefa tena henjana sady marobe ny voka-dratsin’ny fitrandrahana ‘terres rares’ efa fantatra.
Ny alalana hitrandraka nomen’ny fitondràna tetezamita tamin’ny taona 2012 tena mampiahiahy be loatra (4) ka miresaka fiandrasana fahazoan-dàlana hitrandraka ny lahatsoratra momba ny orinasa TANTALUS any amin’ny filazam-baovao erantany.
Ireo mpiara-miasa tonga tany an-toerana tamin’ny volana oktobra 2015 dia nandre fa ireo vondron’ny mponina any an-toerana hiharan’ny fikarohana ‘terres rares’ mivantana, dia tsy mba nomen’ny orinasa sy ny manam-pahefana fanazavana na momba ny maha-izy azy ny ‘terres rares’ sy ny hampiasàna azy na mikasika ny fiantraikan’ny fitrandrahana azy amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’ny olombelona. Ny lalam-panorenana sy ny lalàna momba ny Satan’ny tontolo iainana malagasy (5) anefa dia samy manamafy ny zon’ny olompirenena rehetra hahazo vaovao.

Olompirenena misoratra any amin’ny bokin’ny fokontany, mandoa hetra ara-dalàna, izay hita marobe eny amin’ny tsenan’Antsirabe sy Befitina, no miaina ao amin’ireo faritra voakasiky ny fitadiavana sy fikarohana harena ankibon’ny tany. « Tsy foana na tsy manan-tompo » izany ny tany.

Mikasa hanangana ozinina fisivanana sy fanodinana ny ‘terres rares’ ao Betaimboay ny TREM. Tena tonga ny fotoana tokony hanomezan’ny mpiandraikitra samihafa lanjany lehibe ny fizaràna ny zava-pantatra amin’ny vondron’ny mponina hiantraikan’izany.

Goavana ny lokanady ho an’ny vondron’ny mponina any an-toerana

Hamaliana ny zava-manahirana ny vondron’ny mponina any ifotony, dia nitarika fifanakalozana mikasika ny zo amin’ny tany araky ny lalàna manan-kery ireo mpiara-miasa avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Fahalalàna mikasika ny maha-izy azy sy ny sanda stratejikan’ny ‘terres rares’ mifandray amin’ny toetrany sarobidy ho an’ny teknolojia avo lenta no nifampizaràna, ary koa ny tranga efa fantatra mikasika ny fiantraikany tena ratsy mety hateraky ny fampiasana akora simika samihafa sy ny faika feno poizina mety haterany mandritry ny asa fitrandrahana sy fanodinana ny oxydan’ny ‘terres rares’.
Raha ny zava-nitranga mantsy no ho fintinina fohy dia nampiato ny fitrandrahany an’io akora io teo amin’ny taniny aman-taonany i Etazonia sy Aostralia. Rehefa nahavita nanangana ozinina fampiodinana ‘terres rares’ tany Malezia i Aostralia, dia nidina an-dalambe ny mponina tany Malezia nitaky ny hampijanonana ilay tetikasa. I Shina no firenena mpamokatra ‘terres rares’ betsaka indrindra saingy manomboka mampihena ny fitrandrahana any an-toerana koa izy fa mitady hanao izany any ivelany, any Mongolia raha ny marina, mba hitsitsiana ny harena an-kibon’ny taniny izay efa nangalàna betsaka fa koa hampitsaharana ny voka-dratsy tena manimba tontolo iainana araky ny fanazavana sy ny hasehon’ny horonan-tsary ao amin’ny internet (6)
Ny ala voajanahary (7) sy ny faritra voaaro any amin’ny saikanosin’Ampasindava (8) izay tantanan’ny Missouri Botanical Garden dia tena mety ho simba. Ny rano fisotron’ny olona sy ny biby fiompy ary fampiasa amin’ny fambolena hatramin’ny rano ambanin’ny tany sy ny rano masina dia tandidomin-doza amin’ny fahalotoana goavana, ny voka-dratsy amin’ny fahasalamana koa dia tena henjana.
Ny vondron’ny mponina any ifotony dia naneho ny tsy finoany loatra ny hitandreman’ny orinasa mpitrandraka ka hanakanany na hanalefahany ireo voka-dratsy amin’ny tontolo iainana satria tamin’ny fanavaozana ny làlana izay mitondra mankany amin’ny tobin’ny mpiasany, dia tsy nanana finiavana akory izy nametraka ireo fepetra fanao mahazatra hiarovana ny tany tsy ho lasan’ny riaka ka lasa mianjera any anatin’ny ranomasina daholo ny tany rehetra nahilika nandritry ny asa.
Ny fidiram-bola voalohan’ny tantsaha ao amin’ny distrikan’Ambanja amin’izao fotoana izao dia ny cacao, izay hisian’ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana frantsay ao anatin’ny varotra tsy manambaka fa mifandanja (9). Misy kaoperativa telo najoro hiara-hiasa amin’io sehatra io anisan’ny hiantraikan’ny asa fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany mivantana. Ankoatry ny fambolem-bary sy ny famokarana ireo voly fanondrana any ivelany toy ny lavanila, ny kafe, ny dipoavatra, dia mihitatra ny asa fanohanana momba ny famokarana legioma toy ny anana, sns.. ao anatin’ny faritra Sambirano efa an-taonany maro izao. Miompy sy manjono ihany koa, ataony asa fanampiny, ny mponina. Nanomboka niteraka vokatsoa ny ezaka fampivoarana ny fambolena saingy atahorana ho ravan’ny fandotoana sy ny lavaka an’aliny maro mbola kasaina hatao izany.

Handao hanaitra ny mpitondra sy ny mpandray fanapaha-kevitra malagasy

Tandidomin’ny fahafatesana voatetika mialoha ny hoavin’ny mponina sy ny tontolo iainana ao amin’ny saikanosin’Ampasindava. Ity antso fanairana ity dia mitodika indrindra amin’ny olom-pirenena rehetra, indrindra fa amin’ny mpandray fanapaha-kevitra amin’ny ambaratonga samihafa izay mbola afa mampijanona ny fivoaran’ny toe-draharaha. Avelantsika hiaretan’ny Malagasy ve ny fanimban’ny fitrandrahana ‘terres rares’ ny tontolo iainana sy ny olona izay nolavin’ny firenena hafa eran-tany ?
Ekentsika hatao sorona ve ny tontolo iainana miavaka, ny kolontsaina mendriky ny vondron’olona ifotony ao amin’ny faritra Sambirano mba hampitombo ny tombotsoa ara-arikarena sy ara-bolan’ny hafa ?
Tsy miafina amin’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Fanjakàna ny zavatra izay omanina satria tonga tany an-toerana ny Talen’ny Kabinetra sy ny Mpanolotsaina manokana maromaro ny Filoham-pirenena taminy volana Mey 2015. (10). Fa mba nandefa eritreritra momba ny voka-dratsin’ity tetikasa ity amin’ny mponina ve izy ireo ?

Handao hotohanana ny vondron’ny mponina any ifotony izay mandà ny fananganana ny ozinina hampiodinana ‘terres rares’ !

Handao hangatahana amin’ny tompon’andraikitra ny mangarahara tanteraka momba ny lafiny rehetra amin’ity tetikasa fitrandrahana ity !
Handao hitaky fifanakalozan-kevitry ny rehetra, izay andraisan’ny olompirenena malagasy rehetra sy ny vondron’ny mponina hiharany anjara, momba ny tombotsoa sy ny loza mety ho entin’ity tetikasa ity alohan’ny hisian’ny fanapaha-kevitra momba ny fanekena ny fitrandrahana !

9 novambra 2015

Fikambanana MA.ZO.TO Miaro Aina-ZOn’olombelona-TOntolo iainana,
Centre de Recherches et d’Appui aux Alternatives de Développement - Océan Indien (CRAAD-OI),
Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – TANY.

patrimoine.malgache@yahoo.fr
http://www.facebook.com/TANYterresm...

Vaovao voaray taty aoriana :
1/ Taorian’ny fandalovan’ny mpiara-miasa avy amin’ny fiarahamonim-pirenena tany an-toerana, dia niroso tamin’ny fampahafantarana ny mponina any ifotony bebe kokoa momba ny tetikasa ny orinasa TREM. Nisy atrikasa tamin’ny faha-11-n’ny volana novambra 2015.
2/ Tamin’ny 16 oktobra 2015 dia nampandre ny mpitantana ny orinasa Tantalus fa nametraka fampilazana momba ny tsy fahafahana mandoa trosa eo anivon’ny fitsarana ao Munich : http://investorintel.com/technology.... Tamin’ny 17 Novambra 2015 dia nampandre ny orinasa Tantalus fa miroso amin’ny fivarotana ny tetikasa momba ny “terres rares’ any Madagasikara amin’ny orinasa mañana ny foibe-toerany any Singapour, 60 isan-jato amin’ny dingana voalohany ary ny 40 isan-jato ambiny amin’ny dingana faharoa :
http://investorintel.com/technology....

Angona notakarina nanovozan-kevitra :
(1) Minerais - Terres rares : une exploitation dans la région DIANA
http://latribune.cyber-diego.com/ec...
Ambanja - Prospection encourageante de terres rares
http://www.lexpressmada.com/blog/ac...

(2) Andalana faha-105 n’ny lalàna faha-99-022 du 19 Aogositra1999 mifehy ny Fehezan-dalàna mikasika ny harena an-kibon’ny tany novain’ny lalàna faha-2005-021 tamin’ny 17 Oktobra 2005

(3) PR n° 6698, ref 59/09/MEF/ONE/DG/PE selon GIZ et all. Analyse du secteur des industries extractives à Madagascar, 01/10/2012.

(4) Violation des droits humains à Madagascar : http://www.cetim.ch/legacy/fr/inter...

(5) « Ny Lalam-panorenana nivoaka tamin’ny taona 2010 anefa dia manome antoka ny fananan’ny olona tsirairay zo amin’ny fahalalam-baovao (Andininy 11) ary manaiky ny Fokonolona ho fototry ny fampandrosoana sy ny firindrana eo amin’ny lafiny fiaraha-monina sy ny kolontsaina ary ny tontolo iainana. (Andininy 152)
Araka ny Dinan’ny Tontolo iainana malagasy (Lalàna faha- 90-033 tamin’ny 21 desambra 1990 novain’ny lalàna faha- 97-012 tamin’ny 06 jona 1997 sy faha-2004- 015 tamin’ny 19 aogositra 2004),
And.2 - Ny antsoina hoe tontolo iainana dia ny fitambaran’ny toerana ara-voajanahary na namboarina, tafiditra anatin’izany ny toerana misy olombelona sy ny mpamaritra sôsialy sy ara-kolontsaina izay mahakasika ny fampivoarana ny firenena
And. 4 – Ny fiarovana sy fanajàna ny tontolo iainana dia mahakasika ny tombotsoan’ny daholo be. Adidin’ny tsirairay ny miahy ny fiarovana ny zava-misy manodidina ny toerana iainany. Mba ahatongavana amin’izany, ny tsirairay na olona na rafitra dia samy tokony hahazo ny vaovao mikasika ny fanapaha-kevitra izay mety hisy fiantraikany amin’ny tontolo iainana ary izany dia, na amin’ny fomba mivantana na amin’ny alalan’ny vondrona na fikambanana. Ny olona tsirairay koa dia manana fahafahana handray anjara amin’ny fanapaha-kevitra.
« Madagasikara dia nankato ny Fanambarana Rio taminy 1992 izay milaza ao amin’ny foto-keviny faha 10 : ‘Ny fomba mety indrindra hiresahana mikasika ny tontolo iainana dia ny fahazoana antoka fa mandray anjara daholo ny olompirenena rehetra eny amin’ny ambaratonga sahaza. Eo amin’ny ambaratongan’ny firenena dia tokony samy ho afaka hanakatra ny vaovao momba ny tontolo iainana izay ananan’ny manam-pahefana ny olona tsirairay, anatin’izany ny fahalalàna mikasika ny akora sy asa mety hampidi-doza ho an’ny mpiara-monina, sy ho afaka handray anjara amin’ny zotra mankany amin’ny fandraisana fanapaha-kevitra. Ny Fanjakana rehetra dia tsy maintsy manamora sy mamporisika ny fampahatsapàna sy ny fandraisan’anjaran’ny dahlobe amin’ny alalan’ny fametrahana ny vaovao eo am-pelatànany.’[…]
Nanasonia ihany koa ny Fifanarahana tao Aarhus izay manentitrentitra ny fomba ahatakarana ny vaovao sy handraisan’ny daholobe anjara »
Notsoahana tao amin’ny GIZ sy hafa, Analyse du secteur des industries extractives à Madagascar, 01/10/2012

(6) The dystopian lake filled by the world’s tech lust : http://www.bbc.com/future/story/201... (aza hadinoina ny mijery ilay video ao amin’ny faran’ny lahatsoratra)

(7) http://www.cci.mg/index.php?p=journ...

(8) http://www.mrpa.mg/sites/default/fi...

(9) http://www.ethiquable.coop/page-dac...

(10) http://www.lagazette-dgi.com/index....

Dikanteny Malagasy vita ny faha-27 novambra 2015